4Ary hoy Nikodema taminy : Ataon'ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy ? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray ? 5Fa hoy Jesoa: Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 6Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. 7Aza gaga hianao noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo. 8Ny rivotra mitsoka amin'izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
Cette carte vous a plu ? Vous pouvez la conserver à vie.